Sei sulla pagina 1di 1

EKAR MD.

FRANCOIS-XAVIER ANTANIMENA

FIVOI (VOVONAN’NY FINOANA)

Frera : Ravelosonina Bertrand Diocese Ambanja

N. B. : Marihina fa ny VFP notena niara-niasa akaiky sy matetika taminy ka toy izao no tombana nataon’izy ireo momba
an’i Frera Ravelosonina Bertrand avy ao amin’ny Diocèse Ambanja.

1. Fitondran-tena :
- Matotra
- Mahay mifandray aman’olona

2. Fahamarinam-potoana :
- Marim-potoana ary tsy sorena raha sendra misy fahatarana noho ny antony maro samihafa
- Mahay manaja ny fotoana ifanaovana aman’olona ary maharitra miandry

3. Fampianarana sy fihofanana :
- Mahay mandamina ny asa indrindra fa ny momba ny fampiofanana olon-dehibe (Komonio I, Intégration, Fankaherezana,
Mariazy)
- Mahay mizara asa amin’ireo Frera namany eto amin’ny Paroasy mba hahatanterahan’ny asa hangatahina aminy
- Mahay mandrindra asa amin’ireo Frera any ivelany mba hahafahana manome fotoana ireo Frera eto amin’ny Paroasy
manantanteraka ny asa any amin’ny Faritra sy fikambanana masina ary ny vaomieran’asa. Izany dia nandritry ny
Recollection mpianatra sy ny mpampianatra katesizy ary ny fanadinana am-bava.
- Ny indro kely dia tsara raha miteny mafimafy kely I Frera Bertrand mba tena ahazoana tsara izay tiany hambara sy
hahatafita tsara ny hafatra rehefa mampiofana olona maromaro
Tsara ho marihina fa notanterahiny an-tsakany sy andavany ny asa nampiandraiketan’I P. Curé azy teto anivon’ny
Paroasy ary afa-po tamin’izany indrindra fa ireo ao amin’ny Vaomieran’ny Fandalinam-Pinoana
Misaotra sy mankasitraka indrindra Frera Bertrand ary dia hahita ny soa sy ny tsara hatrany anie ianao.

Ny Mpandrindra Voalohany FIVOI


Ramiandrasoa Sambatra

Potrebbero piacerti anche