Sei sulla pagina 1di 1

Vakana Sarobidy

Very vakana aho 'zavavy Indro tonga mba hiangavy Vakana inona hono izany Sao mba hitako eny ihany

Vakan'iray toa arivo Filamatra koa ka tsahivo Arendrika tsy mety levona Empoina vao maika matevina

Tena vakana tsara indrindra (Tena vakana tsara indrindra) Tsy miofo ary tsy mba mifindra (Tsy mba miofo ary tsy mba mifindra)

Lotoina,lotoina vao maika madio Tsarovy sy mba tadidio Io 'lay vakam-pirenena Tena kanto raha jerena

Haingon-drazana Fahiny 'zay mbola Hita ts'isy tsiny Tsy azon'olona takonana Raha izy no hiambozonana Andramo,andramo ho hitanao Fa ho mety 'zay atao

Rolland Raelison

Potrebbero piacerti anche